IRETO ORA IAINANTSIKA
29 août, 2010
IRETO ORA IAINANTSIKA
Na mahantra na mpanankarena,
N’inoninona atao eto an-tany,
Ny fiainantsika é ! fandalovana,
Fotoana vitsy dia efa lany !
Raha mba afaka atao,
Ny mampijanona ny ora…
Ireto zanantsika ô !
Tsy handao ny trano, hanidina.
Mandeha tsy hita , milomay,
Ireto ora iainantsika,
Na ny ankizy aza mandeha malaky !
Mandao ny ray sy reniny.
Samy entin’ny fiainana, haingana,
Tsy tana ny volana sy ny taona,
Raha mba afaka atao re olona,
Ny mampijanona ny ora !
Indrisy mantsy…
Tsy afaka atao akory,
Ny mampijanona ny ora,
Dia atao izay mety !
Hampilamina ny fiainana…
Tritriva 28/08/10