Archive pour mars, 2017

Tsiaro mahafinaritra !

11 mars, 2017

Tsiaro mahafinaritra !

Misy tsiaro tsy miala ato an-tsaiko
Hatrin’ny ela be izay
Fony izaho mbola kely
Niaraka tamin’ny reninay.

Matetika izahay sy mama
Nandeha tamin’ny fiara
Bus no fiantsoana azy
Tamin’izany fotoana izany.

Nitsidika ireny tanàna
Namangy havana tiana
Nahita toerana soa
Nahafinaritra jerena.

Eny rehefa mizanona ny fiara
Eny fa maka aina ny sofera
Eny mandehandeha ny olona
Eny mankeny izay tena mila.

Izay tadidiko indrindra
Ankoatry ny rehetra
Dia voninkazo tsy manan-tsahala
Maniry ao anaty ala.

Vony sy mena ny lokony
Ny bikany sahala ny vorona
Asa loatra re ny anarany
Hatr’izao aho mahatsiaro azy.

Mbola hoatr’izany angamba
Ny amin’izao fotoana izao
Mbola misy voninkazo meva
Maniry ao anaty ala ao.

Tritriva 10/03/17

Ramatoa gasy

11 mars, 2017

Ramatoa gasy

Misy any ramatoa gasy
Tambanivohitra miasa mafy
Tsy matahotra tany ditra
No sady mahery manetsa
Any ka, be vokatra sy mahavoky.

Vakivaky fa voaratra
Mavo rangotina ireo tongony
Akory moa ataony fa
Tsy maintsy mamboly
Hamelomany ireo ankiziny.

Ny alahady rehefa miangona
Miaraka amin’ireo mpivavaka
Kapa no mba entiny
Fa tsy kiraro mahafinaritra
Sahala ireo ankamaroany.

Izy efa teny an-tsena
Nitady balerina soa
Indrisy tsy nisy kiraro habe
Metimety aminy e !
F’izy ireo teritery avokoa.

Ka hoy aho aminy :
Hitondrako ianao akia
F’izaho nahita kiraro
Tena malefaka, mampihaingo
Ho an’ireo tongotrao efa sasatra.

Tritriva 27/02/17