Archive pour mars, 2015
MAHATSIARO ANAO
3 mars, 2015MAHATSIARO ANAO
Ny ferinao ry Taniko,
No iny mba ho tazako,
Rehef ‘ izaho hankany,
Hamangy ireo havana any !
Nahoana moa no izao,
No tena mahatsiaro anao,
Ity foko miferinaina,
Mahafantatra fa misy tra-boina…
Tsy ampy akory,
Ny fandefasana vonjy,
Firarian-tsoa sy fivavahana,
Raha tsy eo koa ny fitiavana !
Ny hahita anao ry Nosiko,
Sy ireo havana ao,
No hany fanantenako,
Raha sitraky ny Tompo !
Tritriva
AZA MBA ENTIN’NY BADO !
3 mars, 2015AZA MBA ENTIN’NY BADO !
Aza mba entin’ny bado
Fa rendrika ianao sady lavo !
Aza manaraka adala
Fa difotra ianao tsy afa-miala !
Aza tarihin’ny kamo
Fa miakatra ho azy ny rano !
Aza mifidy ny dondrona
Fa rehitra ho azy eo Ambondrona !
Aza mba mino mpandainga
Fa loto sy fako no miainga !
Aza midera mpangalatra
F’ianao no hilatsahan’ny varatra !
Aza mitehaka fositra
Fa ny harenanao no handositra
Aza mba mitrotro maingoka
Fa ianao no hifoteran’ny faingoka !
Fa maro ireo tsy valahara,
Mandrorona sy mamarara…
Dia isika no hiaran’antambo
Ka difotry ny ranon-trambo !
Izy ireny no manota fady…
Dia isika no varina an-kady !
Izy ireny no manaonao foana…
Dia isika no lasa tra-boina !
Aza mba entin’ny bado e !
DadaRabe
Ambato
26/02/15 20:03