RAHA FANTATRAO RY NENY…
24 août, 2015RAHA FANTATRAO RY NENY…
Raha fantatrao, ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.
Raha hitanao ny dinitra mirotsaka an-tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama.
Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehefa izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany !
Kanefa anie dia ferako ny foko tsy hitomany.
Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidina any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbola ato am-poko ato, tadidiko avokoa.
Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratra aho: “mazava ny marainako”
“Sambatra aho ry neny… milamina ny fiainako!”
DadaRabe
Marseille (06/05/01)
(Ao amin’ny boky « Hatramin’ny nahalalako anao »)



