12 MILIARA 4×4 !
16 février, 2015
12 MILIARA 4×4 !
Ny sasany kere ringana sy maty,
Ao ny mihinam-pako fa efa tsy mahatanty,
Misy mitsirara eny an-dala-mody…
Tsy afaka manoatra fa ts’isy fanafody !
Dia ao ireo very aina tafihan’ny jiolahy,
Sy tsy mahita tory vesaran’ahiahy,
Mihalasa tena gaigy ireto mpiara-monina…
Fa tena habibiana tsy hita hotononina !
Misy ny ambotaka efa ho adin’ny telo,
Ny lavaka eny feno ka toa mampalahelo !
Maro ireo mpitrongy tsy misy asa intsony,
Hany hery dia midoroka miboboka rongony !
Misy rava trano mipitrapitra maso,
Misy ny hain-tany mamely ts’isy andraso,
Misy tsy mihinana ny zaza amam-behivavy,
Misy mifandratra hatramin’ny mpianakavy !
Dia ao ireo very toky tsy miasa…fa mivavaka
Tsy mino ny eto an-tany…longoa sy feno lavaka !
Dia ao ireo lasa adala manary lamba an-tsena…
Mipiaka koa ny loha nefa ts’isy famonjena !
Ny sasany mizara ny harenam-panjakana,
Ny sasany miliba tsy mahalala fahantrana,
Ny sasany mivoky mivarotra hazoala,
Ny sasany miandry…handray dozy miliara !
DadaRabe
Ambato
08/02/15 11h48
https://www.facebook.com/dadarabe