TONONKIRA
14 juillet, 2014MISY FARANY.
Naly RAKOTOFIRINGA
Ny zavatra atomboka rehetra
Dia hifarana hatreo amin’ ny fetra,
Efa fantatra, f’izay niandoha
Dia mbola hisy farany koa.
Ny mateza dia tsy misy firy
Fa na misy aza, angamba dia kiry.
Ny endrika sy ny bika soa
Dia samy ho simba avokoa,
Na tanjaka, na hery
Dia mihena ary koa miha-very,
Satria raha tonga amin’ ny fetra
Dia hifarana toa ny rehetra.
Na ireo hira, na ny feo manga
Tsy isalasalana, fa angamba
Rehefa lany ny tsiron’ ny mamy
Dia ho adino indray andro any!.
Embonembona sisa hampitsetra
Hisolo hafa toy ny rehetra.
Na rano mandeha eny an’ony
Ireo voninkazo mamony,
Ny vorona mikalokalo
Tsy hitoetra fa samy handalo,
Handalo ny zava-drehetra.
Rehefa tonga ny andro voafetra.
‘Lay fitiavana mamy aok’ izany
No heverina fa tsy ho lany
Tamin’ny andro ny volan-tantely
Dia hifarana tsikelikely,
Satria angamba izay niandohàny
Ka tsy maintsy hifarana ihany.





